Bokin'i Hosea 4:16
Fa ny Isiraely dia maditra toy ny vantotr’ ombivavy maditra; Ankehitriny dia handrasan’ i Jehovah toy ny zanak’ ondry eny amin’ ny malalaka izy.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
17Tafaraikitra amin’ ny sampy Efraima; Aoka izy ho eo.
Cross References
Leviticus 26:33Ary ianareo dia haeliko any amin’ ny jentilisa, any hanatsoaka sabatra ho enti-manenjika anareo Aho; ary ny taninareo ho lao, any ny tanànanareo ho rava.
Isaiah 5:17Ary ny zanak’ ondry hikania toy ny eny amin’ ny tany fiandrasana azy ihany; Ary ny tany foana izay nipetrahan’ ny matavy, dia mpirenireny no hiandry ondry ao.
Isaiah 22:18Dia hovolavolainy toy ny kodiarana ka hahodiadiany ho any amin’ ny tany malalaka; Dia any no hahafaty anao, ary ho any koa ny kalesin’ ny voninahitrao ry ilay henatry ny mpianakavin’ ny tomponao.
Jeremiah 3:8Ary hitako fa na dia efa nisaorako aza Isiraely mpiodina ka nomeko taratasy fisaorana noho ny fijangajangana, dia tsy nety natahotra Joda mpivadika rahavaviny na dia izany aza, fa nandeha nijangajanga koa izy.
Jeremiah 5:6Koa noho izany dia mamely azy ny liona avy any an’ ala, ary mandringana azy ny amboadia avy any an-efitra, ny leoparda miandry hamely ny tanànany, ka izay rehetra mivoaka avy ao dia viraviraina; Fa efa maro ny fahadisoany, ary fatratra ny fiodinany.
Jeremiah 8:5Nahoana ity firenena eto Jerosalema ity no miodina amin’ ny fiodinana tsy mety mitsahatra? Mikikitra mafy amin’ ny fitaka izy ka tsy mety miverina.