Bokin'i Hosea 4:9
Ary ho sahala ihany ny hanjo ny olona sy ny mpisorona; Dia hovaliako izy noho ny lalany, ary ny ataony dia hatsingeriko aminy.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
8Ny fanatitra noho ny ota izay aterin’ ny oloko dia haniny ka satriny ihany ny ho diso ireny.
Cross References
Psalms 109:17Tia ozona izy, ka nanody azy izany; Tsy tia indrafo izy, ka nanalavitra azy izany.
Proverbs 11:31Indro, ny marina aza dia valiana etỳ an-tany, Koa mainka fa ny ratsy fanahy sy ny mpanota!
Isaiah 9:14(Ny loholona sy ny manan-kaja no loha, ary ny mpaminany izay mampianatra lainga no rambo);
Jeremiah 5:31Ny mpaminany maminany lainga, ny mpisorona: manapaka araka izay atoron’ ireny, ary ny oloko mankasitraka izany; Koa hanao ahoana re ianareo any am-parany?
Jeremiah 23:11Fa na mpaminany na mpisorona dia samy mpihatsaravelatsihy avokoa; Na dia tao an-tranoko aza dia mbola hitako ihany ny haratsiany, hoy Jehovah.
Ezekiel 44:10Ary na dia ny Levita aza, izay nanalavitra Ahy tamin’ ny nivilian’ ny Isiraely, izay nivily niala tamiko ka nanaraka ny sampiny, dia hitondra ny helony izy.