Bokin'i Hosea 5:1
Henoinareo izao, ry mpisorona, ary mandrenesa, ry taranak’ Isiraely; Ary atongilano ny sofinareo, ry mpianakavin’ ny mpanjaka; Fa ianareo no hihiran’ ny fitsarana, satria tonga fandrika ao Mizpa ianareo sy fandrika harato voavelatra ao Tabara.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
2Ny mpivadika dia fatra-pamono; Fa Izaho kosa famaizana azy rehetra.
Cross References
Judges 4:12Ary nisy nilaza tamin’ i Sisera fa Baraka, zanak’ i Abinoama, niakatra any an-tendrombohitra Tabara.
1 Samuel 7:6Dia nivory tany Mizpa izy ary nanovo rano ka nandraraka izany teo anatrehan’ i Jehovah, sady nifady hanina tamin’ izany andro izany izy ka nanao hoe: Efa nanota tamin’ i Jehovah isika. Ary Samoela nitsara ny Zanak’ Isiraely tany Mizpa.
1 Kings 14:7Koa mandehana, ka lazao amin’ i Jeroboama hoe: Izao no lazain’ i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely: Satria nanandratra anao avy tamin’ ny olona Aho ka nanendry anao ho mpanapaka ny Isiraely oloko,
2 Chronicles 21:12Ary nisy taratasy avy tamin’ i Elia mpaminany tonga tao aminy nanao hoe: Izao no lazain’ i Jehovah, Andriamanitr’ i Davida rainao: Noho ny tsy nandehananao tamin’ ny lalan’ i Josafata rainao, na ny lalan’ i Asa, mpanjakan’ ny Joda,
Jeremiah 13:18Lazao amin’ ny andriamanjaka sy ny reniny hoe: Mitombena amin’ ny tany; Fa ho afaka ny firavaka eo an-dohanareo, dia ny satro-boninahitrareo tsara tarehy.
Jeremiah 46:18Raha velona koa Aho, hoy ny Mpanjaka, Jehovah, Tompon’ ny maro, no anarany: Tahaka an’ i Tabara amin’ ny tendrombohitra, sy tahaka an’ i Karmela ao amoron-dranomasina, dia ho tahaka izany no hihaviany.