Bokin'i Hosea 5:8
Tsofy ao Gibea ny anjomara ary ny trompetra ao Rama! Miantsoa mafy ao Betavena! Inay! misy manenjika anao, ry Benjamina!
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Cross References
Judges 5:14Ny avy amin’ i Efraima, izay miorina amin’ i Amaleka, dia nomba anao teo amin’ ny firenenao, ry Benjamina; Avy tany Makira no nidinan’ ny mpanao lalàna, ary avy tamin’ i Zebolona ireo mitana ny tehin’ ny mpifehy.
Judges 19:13Ary hoy izy tamin’ ny zatovony: Andeha isika hankamin’ ny anankiray amin’ ireto tanàna ireto, dia any Gibea, na any Rama, ka handry any.
1 Samuel 7:17Dia niverina ho any Rama indray izy, fa tao ny tranony; ary nitsara ny Isiraely tao izy sady nanorina alitara tao ho an’ i Jehovah.
1 Samuel 15:34Ary Samoela nankany Rama; fa Saoly kosa niakatra tany amin’ ny tranony tao Gibean’ i Saoly.
1 Kings 12:29Ary ny anankiray dia napetrany tao Betela, fa ny anankiray kosa dia tao Dana.
Jeremiah 4:5Ambaraonareo ao amin’ ny Joda, ary torio ao Jerosalema, ka ataovy hoe: Tsofy ao amin’ ny tany ny anjomara; Miantsoantsoa mafy, ka ataovy hoe: Mivoria ianareo, ka andeha isika hiditra amin’ ny tanàna mimanda.