Bokin'i Hosea 6:4
Inona re no ho azoko atao aminao, ry Efraima? Inona re no ho azoko atao aminao, ry Joda? Fa toy ny rahona maraina ny fitiavanareo sy tahaka ny ando izay levona, raha vao maraina ny andro.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Cross References
Judges 3:12Fa nanao izay ratsy eo imason’ i Jehovah indray ny zanak’ Isiraely ary i Jehovah nampahery an’ i Eglona, mpanjakan’ i Moaba, hiady amin’ ny Isiraely, satria nanao izay ratsy eo imason’ i Jehovah izy.
Psalms 106:12Dia nino ny teniny izy Ka nihira ny fiderana Azy.
Jeremiah 3:10Fa na dia izany rehetra izany aza dia tsy nety niverina tamiko tamin’ ny fony rehetra Joda mpivadika rahavaviny, fa tamin’ ny fihatsaram-belatsihy ihany, hoy Jehovah.
Jeremiah 5:7Koa nahoana Aho no hamela ny helokao? Efa nahafoy Ahy ny zanakao ka efa nianiana tamin’ izay tsy Andriamanitra; Efa nampianianiko izy, nefa nijangajanga ihany ka nirohitra niditra tao an-tranon’ ny vehivavy janga.
Jeremiah 5:23Fa ity firenena ity dia manana fo maditra sy miodina; Mihodìna izy ka lasa,
Jeremiah 34:15Ary nibebaka ianareo androany ka nanao izay mahitsy eo imasoko tamin’ ny niantsoanareo fanafahana, samy handefa ny rahalahiny avy; ary nanao fanekena teo anatrehako ianareo, dia tao amin’ ny trano izay efa niantsoana ny anarako;