Bokin'i Hosea 6:8
Gileada dia tanànan’ ny mpanao ratsy sady voaloton’ ny rà.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
Gilead is a city of them that work iniquity, and is polluted with blood.
In Context
7Fa ireny dia nivadika ny fanekena tahaka an’ i Adama, tao no nivadihany nahafoizany Ahy.
Cross References
2 Samuel 3:27Ary nony niverina tao Hebrona Abnera, dia nentin’ i Joaba nitanila tao anaty vavahady hiresaka aminy mangingina, kanjo nasiany tamin’ ny kibony ka matiny ho todin’ ny ran’ i Asahela rahalahiny.
1 Kings 2:5Ary ianao koa mahalala izay nataon’ i Joaba, zanak’ i Zeroia, tamiko, dia ilay nataony tamin’ izy roa lahy komandin’ ny miaramilan’ ny Isiraely, dia tamin’ i Abnera, zanak’ i Nera, sy tamin’ i Amasa, zanak’ i Jatera, izay novonoiny sady nalatsany rà toy ny amin’ ny ady, nefa tsy nisy ady tsinona, ka nasiany rà toy ny amin’ ny ady ny fehin-kibony teny am-balahany sy ny kapany teny an-tongony.
Psalms 59:2Afaho amin’ ny fahavaloko aho, Andriamanitro ô; asondroty eo amin’ ny avo aho tsy ho azon’ izay miodina amiko.
Jeremiah 11:19Fa izaho dia tahaka ny zanak’ ondry bonaika, izay entina hovonoina; Ary tsy fantatro fa izao no tetika nataony namelezany ahy: Aoka hosimbantsika ny hazo mbamin’ ny voany, ary aoka hofongorantsika hiala amin’ ny tanin’ ny velona izy, mba tsy hotsarovana intsony ny anarany.
Hosea 5:1Henoinareo izao, ry mpisorona, ary mandrenesa, ry taranak’ Isiraely; Ary atongilano ny sofinareo, ry mpianakavin’ ny mpanjaka; Fa ianareo no hihiran’ ny fitsarana, satria tonga fandrika ao Mizpa ianareo sy fandrika harato voavelatra ao Tabara.
Hosea 12:12Raha tena heloka Gileada, dia ho tonga zava-poana tokoa izy; Tany Gilgala no namonoany omby betsaka ho fanatitra, koa ny alitarany dia ho toy ny korontam-bato eny am-bavasa any an-tsaha.