Bokin'i Hosea 6:9
Ary toy ny fanotriky ny jiolahy no fikamban’ ny mpisorona: Mamono eny an-dalambe mankany Sekema izy, eny, efa nanao fahavetavetana koa izy.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
8Gileada dia tanànan’ ny mpanao ratsy sady voaloton’ ny rà.
Cross References
1 Kings 12:25Ary Jeroboama dia nanamboatra an’ i Sekema any amin’ ny tany havoan’ i Efraima ka nonina tao; ary raha avy tao izy, dia nanamboatra an’ i Pehoela koa.
Job 1:15dia namely azy tampoka ny Sabeana ka namabo azy, ary ny ankizilahy dia nasiany tamin’ ny lelan-tsabatra, ary izaho dia izaho irery ihany no afa-nandositra hilaza aminao.
Jeremiah 7:9Hay! hangalatra sy hamono olona sy hijangajanga va ianareo ary hianian-tsy tò sy handoro ditin-kazo manitra ho an’ i Bala sady hanaraka andriamani-kafa izay tsy fantatrareo?
Ezekiel 22:9Ao aminao misy olona mandehandeha manaratsy mba handatsa-drà; ary ao aminao misy mihinana eny an-tendrombohitra; ao aminao misy manao fahavetavetana.
Hosea 5:1Henoinareo izao, ry mpisorona, ary mandrenesa, ry taranak’ Isiraely; Ary atongilano ny sofinareo, ry mpianakavin’ ny mpanjaka; Fa ianareo no hihiran’ ny fitsarana, satria tonga fandrika ao Mizpa ianareo sy fandrika harato voavelatra ao Tabara.
Hosea 7:1Raha ta-hanasitrana ny Isiraely Aho, dia miseho ny helok’ i Efraima sy ny faharatsian’ i Samaria, fa manao fitaka izy; Miditra ny mpangalatra, ary ny jiolahy manao andiany dia mandehandeha eny ivelany.