Bokin'i Hosea 7:16
Miverina ihany izy, nefa tsy ho amin’ ny Avo; Tonga tahaka ny tsipìka manjiona izy; Ho lavon-tsabatra ny mpanapaka azy noho ny firehitry ny lelany; Izany no ho latsany any amin’ ny tany Egypta.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
15Ary Izaho no nampianatra sy nanatanjaka ny sandriny, nefa izy kosa dia misaintsain-dratsy Ahy,
Cross References
Psalms 12:5Izay manao hoe: hampahery anay ny lelanay; miandany aminay ny molotray; iza no tomponay?
Psalms 57:4Haniraka avy any an-danitra Izy ka hamonjy ahy, raha miteny ratsy izay misafoaka manenjika ahy. [Sela.] Eny, Andriamanitra haniraka ny famindram-pony sy ny fahamarinany.
Psalms 78:37Ary ny fony tsy niorina taminy; eny tsy nitana ny fanekeny izy.
Isaiah 3:8Fa tafintohina Jerosalema, Ary potraka Joda, satria ny lelany sy ny asany dia samy manohitra an’ i Jehovah Mba hihaika ny mason’ ny voninahiny.
Jeremiah 18:18Dia hoy ny olona: Andeha isika hihevitra izay hamelezana an’ i Jeremia; fa tsy ho tapaka tsy akory ny lalàna avy amin’ ny mpisorona, na ny saina avy amin’ ny hendry, na ny teny avy amin’ ny mpaminany. Aoka ny vavantsika ho enti-mamely azy, ary aoka tsy hohenointsika akory izay teniny.
Ezekiel 23:32Izao no lazain’ i Jehovah Tompo: Amin’ ny kapoaky ny rahavavinao no hisotroanao, dia ilay lalina àty sady lehibe; ho fihomehezana sy ho fanakorana tsy tanty ianao.