Bokin'i Hosea 7:5
Tamin’ ny andron’ ny mpanjakantsika dia nankarary tena tamin’ ny fanafanan’ ny herin’ ny divay ny mpanapaka; Nifandray tanana tamin’ ny mpaniratsira ny mpanjaka.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Cross References
1 Kings 13:4Ary nony ren’ i Jeroboama mpanjaka ny tenin’ ny lehilahin’ Andriamanitra izay niantso ny alitara tao Betela, dia naninjitra ny tànany niala tamin’ ny alitara izy ka nanao hoe: Hazony ilehio. Dia maty iny tànany nahinjiny nanondro azy iny ka tsy azony noketrahina intsony.
Psalms 69:12Lamba fisaonana no nataoko fitafiako, dia efa ambentinteny tamin’ ireny aho.
Proverbs 20:1Mpaniratsira ny divay, ary mpitabataba ny toaka, Koa izay miraikiraiky azon’ izany dia tsy hendry.
Isaiah 5:11Lozan’ izay mifoha maraina koa ka mitady toaka! Izay miboboka mandra-paharivan’ ny andro ka ampirehetin’ ny divay!
Isaiah 28:1Lozan’ ny satro-boninahitra, izay reharehan’ ny mpimamo any Efraima, sy ny voninkazo mihamalazo amin’ ny firàvany tsara tarehy, izay eo an-dohan’ ny lohasaha lonaky ny fileon-divay.
Daniel 5:1Belsazara mpanjaka nanao fanasana lehibe ho an’ ny mpanolo-tsainy arivo lahy, ary teo anatrehan’ ireny no nisotroany divay.