Bokin'i Hosea 8:14
Efa nanadino ny Mpanao azy Isiraely ka nanorina trano vaventy, ary Joda nanamaro tanàna mimanda; Fa haterako afo ao an-tanànany, ka holevonin’ izany ny trano vaventiny.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Cross References
Deuteronomy 32:18Ny Vatolampy Izay niteraka anao dia tsy tsaroanao, Ary hadinoinao Andriamanitra Izay nahary anao.
1 Kings 16:31Fa nataony ho zavatra kely foana ny handeha amin’ ny fahotan’ i Jeroboama, zanak’ i Nebata, ka dia nampakatra an’ i Jezebela, zanakavavin’ i Etibala, mpanjakan’ ny Sidoniana, izy ho vadiny, dia nandeha nanompo an’ i Bala ka niankohoka teo anatrehany.
2 Chronicles 26:10Ary nanao tilikambo tany an-efitra koa izy sady nihady lavaka maro ho famorian-drano; fa izy nanana omby aman’ ondry betsaka teny an-tany lemaka sy teny an-tanety ary mpiasa koa sy mpamboatra tanim-boaloboka teny an-tendrombohitra sy teny Karmela koa; fa tia asa tany izy.
Psalms 106:21Nohadinoiny Andriamanitra, Mpamonjy azy, Izay efa nanao zava-dehibe tany Egypta,
Isaiah 22:8Dia alana ny fisalobonan’ i Joda, ary mijery ny fiadiana ao an-Tranoala ianao amin’ izany andro izany.
Isaiah 42:13Jehovah mivoaka tahaka ny lehilahy mahery, tahaka ny fanaon’ ny mpiady no amohazany ny fahatezerany; Miantsoantso Izy, eny, mihiaka mafy; Mampiseho hery haharesy ny fahavalony Izy.