Bokin'i Hosea 8:9
Fa niakatra ho any Asyria izy Toy ny borikidia mandeha irery; Efraima dia nanangy ireo lehilahiny
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
For they are gone up to Assyria, a wild ass alone by himself: Ephraim hath hired lovers.
In Context
Cross References
2 Kings 15:19Ary Pola, mpanjakan’ i Asyria, dia avy hananika ny tany; ary Menahema nanome an’ i Pola talenta volafotsy arivo mba hampitoetra ny fanjakana eo an-tànan’ i Menahema.
Isaiah 30:2Dia izay mandeha hidina any Egypta, nefa tsy nanadina tamin’ ny vavako, handositra ho any amin’ ny fiarovana mafin’ i Farao sy hialokaloka ao amin’ ny alokalok’ i Egypta.
Jeremiah 2:24Sy ry borikivavi-dia tamàna any an-efitra, izay manimbolo ny rivotra noho ny faniriany; Ary ny fahamaimaizany iza no mahasakana azy? Izay rehetra mitady azy dia tsy ho sasa-poana; Fa amin’ ny volany no hahitany azy.
Ezekiel 23:5Ary raha mbola vadiko Ohola, dia nijangajanga izy; maimay izy tamin’ ireo lehilahiny, dia ny Asyriana mifanolotra aminy,
Hosea 2:10Ary tsy fantany fa Izaho no nanome azy ny vary sy ny ranom-boaloboka sy ny diloilo, sady nataoko be ny volafotsiny sy ny volamenany, izay nolaniny ho an’ i Bala,
Hosea 7:11Ary Efraima dia efa tonga tahaka ny voromailala adaladala tsy manan-tsaina; Efa miantso an’ i Egypta izy ary efa mankany Asyria.