Bokin'i Hosea 9:11
Ny amin’ i Efraima, hihelina toy ny voro-manidina ny voninahiny, ka tsy hisy hiteraka, na hanan’ anaka, na ho torontoronina.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Cross References
Genesis 41:52Ary ny anaran’ ny zandriny kosa nataony hoe Efraima; fa hoy izy: Andriamanitra efa nahamaro ahy teto amin’ ny tanin’ ny fahoriako.
Genesis 49:22JOSEFA dia sampana mahavokatra, eny, sampana mahavokatra eo anilan-doharano; ny rantsany mananika mihoatra ny fefy.
Deuteronomy 28:57noho ny ahitra izay mivoaka avy aminy sy ny zanany vao teraka; fa hihinana izany mangingina izy noho ny tsi-fisian-javatra amin’ ny fahirano sy ny fanerena, izay haneren’ ny fahavalonao anao any amin’ ny tanànanao.
2 Samuel 6:23Ka dia tsy nanan-janaka intsony mandra-pahafatiny Mikala, zanakavavin’ i Saoly.
Job 18:18Roahina hiala amin’ ny mazava ho any amin’ ny maizina izy ary enjehina hiala amin’ izao tontolo izao.
Ecclesiastes 6:3Na dia misy miteraka zaza zato aza sady tratrantitra, ka efa maro ny andro niainany, nefa tsy mba voky soa ny fanahiny, sady tsy mba alevina akory ny fatiny, dia hoy izaho: Ny tsy tonga volana dia tsara kokoa noho izy.