Bokin'i Hosea 9:6
Fa he! lasa izy noho ny fandringanana; Egypta no hanangona azy, Memfisa no handevina azy; Ny fana-bolafotsiny mahafinaritra dia ho lasan’ ny amiana, tsilo no ho ao an-dainy.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Cross References
Deuteronomy 28:63Ary araka izay nifalian’ i Jehovah taminareo hahasoa sy hahamaro anareo, dia araka izany kosa no hifalian’ i Jehovah handringana sy handrava anareo; dia hofongorana ianareo tsy ho eo amin’ ny tany, izay efa hidiranao holovana.
2 Kings 13:7Fa tsy nisy sisa navelan’ i Jehovah ho an’ i Joahaza, afa-tsy mpitaingin-tsoavaly dimam-polo sy kalesy folo ary miaramila an-tongotra iray alina; fa ny mpanjakan’ i Syria efa nandringana azy ka nanao azy ho toy ny vovoka hitsakitsahina.
Proverbs 24:31Ary, indro, feno sampivato izy Sady voasaron’ ny amiana, Ary nirodana ny ampiantany vatony.
Isaiah 7:23Ary amin’ Izany andro izany dia ho rakotry ny hery sy ny tsilo Ny tany rehetra izay nisy voaloboka arivo nahazo sekely arivo.
Isaiah 19:13Efa adala ny mpanapaka any Zoana, efa voafitaka ny mpanapaka any Memfisa; Ary efa nampivembena an’ i Egypta ireo fehizoron’ ny fireneny.
Isaiah 32:13Ho rakotry ny tsilo sy ny hery ny tanin’ ny oloko, eny, na dia ny ao amin’ ny trano mahafaly rehetra ao an-tanàna ravoravo aza;