Bokin'i Isaia 1:1
Ny fahitan’ Isaia, zanak’ i Amoza, izay hitany ny amin’ ny Joda sy Jerosalema tamin’ ny andron’ i Ozia sy Jotama sy Ahaza ary Hezekia, izay samy mpanjakan’ ny Joda.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Cross References
Numbers 12:6Dia hoy Izy: Mba mihainoa ny teniko: Raha misy mpaminanin’ i Jehovah eo aminareo, dia amin’ ny fahitana no hisehoako aminy, ary amin’ ny nofy no hitenenako aminy.
Numbers 24:16Izay mandre ny tenin’ Andriamanitra sady mahalala ny fahalalan’ ny Avo Indrindra, izay mahita fahitana avy amin’ ny Tsitoha, torana, kanefa voahiratra ny masony:
2 Kings 15:7Ary Azaria dia lasa nodimandry any amin’ ny razany, ka nalevina tao amin’ ny razany tao an-tanànan’ i Davida izy; ary Jotama zanany no nanjaka nandimby azy.
2 Kings 18:1Ary tamin’ ny taona fahatelo nanjakan’ i Hosea, zanak’ i Elaha, mpanjakan’ ny Isiraely, no vao nanjakan’ i Hezekia, zanak’ i Ahaza, mpanjakan’ ny Joda.
2 Chronicles 26:22Ary ny tantaran’ i Ozia sisa, na ny voalohany na ny farany, dia efa nosoratan’ Isaia mpaminany, zanak’ i Amoza;
Isaiah 2:1Ny teny izay hitan’ Isaia, zanak’ i Amoza, ny amin’ ny Joda sy Jerosalema.