Bokin'i Isaia 1:10
Mandrenesa ny tenin’ i Jehovah, ry mpitsaran’ i Sodoma; Mihainoa ny lalàn’ Andriamanitsika, ry vahoakan’ i Gomora.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Cross References
Genesis 13:13Ary ny mponina tao Sodoma dia tena ratsy fanahy sady mpanota indrindra tamin’ i Jehovah.
1 Kings 22:19Ary hoy Mikaia: Henoy ary ny tenin’ i Jehovah: Nahita an’ i Jehovah nipetraka teo amin’ ny seza fiandrianany aho, ary ireo maro be rehetra any an-danitra nitsangana teo an-daniny avy, dia teo amin’ ny ankavanany sy teo amin’ ny ankaviany.
Isaiah 8:20Ho amin’ ny lalàna sy ny teni-vavolombelona ihany! Raha tsy miteny araka izany teny izany izy, Dia olona izay tsy hiposahan’ ny fahazavan’ ny maraina.
Ezekiel 16:35Koa mihainoa ny tenin’ i Jehovah, ry kala janga:
Ezekiel 16:49Indro, izao no helok’ i Sodoma rahavavinao: Avonavona sy fahabetsahan-kanina ary fahatokiam-poana no tao aminy sy tao amin’ ny zananivavy, ary tsy mba nitantana ny malahelo sy ny mahantra izy.