Bokin'i Isaia 1:19
Raha manaiky sy mankatò ianareo, dia hihinana ny voka-tsoa amin’ ny tany;
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
If ye be willing and obedient, ye shall eat the good of the land:
In Context
Cross References
Leviticus 25:19Ary ny tany hahavoka-javatra dia hihinana ianareo ka ho voky, ary handry fahizay.
Leviticus 26:5Ary ny taom-pivelezanareo dia ho tratry ny taom-piotazam-boaloboka, ary ny taom-piotazam-boaloboka dia ho tratry ny taom-pamafazana dia hihinana ianareo ka ho voky; ary handry fahizay eo amin’ ny taninareo.
Isaiah 3:10Lazaonareo ny amin’ ny marina fa hahita soa izy, Fa ny vokatry ny asany no hohaniny.
Isaiah 55:2Nahoana ianareo no mandany vola amin’ izay tsy hanina, ary ny vokatry ny fisasaranareo amin’ izay tsy mahavoky? Mihainoa dia mihainoa Ahy, ka hano izay tsara, dia aoka hiravoravo amin’ ny matavy ny fanahinareo.
Isaiah 58:14Dia hiravoravo amin’ i Jehovah ianao, ary hasandratro ao amin’ ny havoana amin’ ny tany ianao, sy hofahanako amin’ ny lovan’ i Jakoba rainao; Fa ny vavan’ i Jehovah no efa niteny.
Jeremiah 7:3Izao no lazain’ i Jehovah, Tompon’ ny maro, Andriamanitry ny Isiraely: Ataovy tsara ny lalanareo sy ny ataonareo, dia hamponeniko amin’ ity tany ity ianareo.