Bokin'i Isaia 1:23
Ny lehibenao dia mpiodina sady naman’ ny mpangalatra; Samy tia kolikoly sy fatra-nitady tambitam-by avokoa izy rehetra; Ny kamboty tsy mba omeny rariny, Ary ny adin’ ny mpitondratena tsy avelany ho entina eo anatrehany.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
22Ny volafotsinao efa tonga tain-drendrika; Ny divainao efa voatsatso rano;
Cross References
Exodus 23:8Ary aza mandray kolikoly, fa ny kolikoly mahajamba ny mason’ ny mahiratra sy mamadika ny tenin’ ny marina.
Deuteronomy 16:19Aza manao fitsarana miangatra, aza mizaha tavan’ olona, ary aza mandray kolikoly; fa ny kolikoly mahajamba ny mason’ ny hendry ary mamadika ny tenin’ ny marina.
2 Chronicles 24:17Ary rehefa maty Joiada, dia avy Ireo mpanapaka ny Joda ka niankohoka teo anatrehan’ ny mpanjaka. Dia nihaino azy ny mpanjaka.
Proverbs 17:23Ny ratsy fanahy mandray kolikoly avy any anaty lamba Ho entiny mamadika ny rariny.
Isaiah 1:17Mianara hanao ny tsara, Diniho izay rariny, anaro ny mpampahory, Omeo rariny ny kamboty, tsarao ny adin’ ny mpitondratena.
Isaiah 3:14Jehovah miampanga ny loholona sy ny lehiben’ ny olony amin’ ny fitsarana hoe: Hianareo no efa nandevona ny tanim-boaloboka; Ary ao an-tranonareo ny fananan’ ny malahelo izay efa nalaina an-keriny.