Bokin'i Isaia 1:24
Ka dia hoy Jehovah, Tompon’ ny maro, Ilay Maherin’ ny Isiraely: E! hiala fo amin’ ny mandrafy Ahy Aho Ary hamaly ny fahavaloko.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Cross References
Deuteronomy 32:43Mihobia, ry jentilisa mbamin’ ny olony; Fa ny ran’ ny mpanompony no hovaliany. Hamaly ny mpandrafy Azy Izy, Ary hanao fanavotana kosa ho an’ ny taniny sy ny olony.
Proverbs 1:25Fa nolavinareo ny saina rehetra natolotro, Sady tsy nety nanaiky ny anatro ianareo:
Isaiah 35:4Lazao amin’ izay reraka am-po: Mahereza, aza matahotra, indro, Andriamanitrareo ho avy mitondra famaliana, dia ny famalian’ Andriamanitra, eny, Izy tokoa no ho avy ka hamonjy anareo.
Isaiah 60:16Ary hinono amin’ ny jentilisa ianao sady hinono amin’ ny mpanjaka; ka dia ho fantatrao fa Izaho Jehovah no Mpamonjy anao, ary Ilay Maherin’ i Jakoba no Mpanavotra anao.
Isaiah 63:4Fa efa ato am-poko ny andro hamaliako, ary tonga ny taonan’ ny voavotro.
Ezekiel 5:12Ny ampahatelony eo aminao dia ho fatin’ ny areti-mandringana na ho ringan’ ny mosary eo aminao; ary ny ampahatelony dia ho lavon’ ny sabatra manodidina anao; ary ny ampahatelony dia haeliko ho amin’ ny rivotra rehetra, ary hanatsoaka sabatra ho entiko manenjika azy Aho.