Bokin'i Isaia 1:31
Ny mahery ho tahaka ny vohavoha, Ary ny asany ho tahaka ny kilalaon’ afo, Dia hiaraka hodorana izy roa tonta, Ka tsy hisy hamono ny afo.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
30Fa ho tahaka ny hazo terebinta malazo ravina ianareo, Sy ho tahaka ny saha tsy misy rano.
Cross References
Judges 15:14Ary raha tonga tany Lehy izy, dia nanakora azy ny Filistina; ary ny Fanahin’ i Jehovah nilatsaka taminy, dia tonga tahaka ny rongony izay nodorana tamin’ ny afo ny mahazaka teny amin’ ny sandriny ary afaka tamin’ ny tànany ny fatorana.
Isaiah 9:19Ary mandripaka eny ankavanana izy nefa noana ihany; Ary mandany eny an-kavia izy, nefa tsy voky ihany; Samy mihinana ny nofon-tsandriny avy izy rehetra,
Isaiah 27:4Tsy misy fahatezerana ato amiko; Enga anie ka hisy hery sy tsilo eto anatrehako hiadiako. Dia hiroatako ireo ka hodorako avokoa!
Isaiah 34:9Ary hovana ho tonga dity ny renirano any Edoma, ary ho solifara ny vovo-taniny, ary ny taniny ho dity mirehitra.
Isaiah 50:11He! ianareo rehetra izay mampirehitra afo sy mifehy kilalaon’ afo manodidina anareo, mandehana amin’ ny lelafonareo sy amin’ ny zana-tsipìka misy afo, izay narehitrareo. Izao no hanjo anareo avy amin’ ny tanako: Handry amin’ ny fahoriana ianareo.