Bokin'i Isaia 1:6
Hatramin’ ny faladia ka hatramin’ ny loha dia tsy misy izay tsy marary, Fa ratra sy dian-kapoka ary fery vao; Tsy mbola voaporitra, na voafehy, na voalemin’ ny diloilo izy.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Cross References
Job 2:7Dia nivoaka Satana avy teo anatrehan’ i Jehovah ka namely vay ratsy an’ i Joba hatramin’ ny faladiany ka hatramin’ ny tampon-dohany.
Psalms 38:3Fa mitsatoka amiko ny zana-tsipìkanao, ary manindry ahy mafy ny tananao,
Jeremiah 6:7Toy ny loharano mampiboiboika ny ranony no ampiboiboihany ny faharatsiany; An-keriny sy fandravana no re ao aminy; Eo anatrehako mandrakariva ny faharariana sy ny faharatrana.
Jeremiah 8:21Torotoro aho noho ny fahatorotoroan’ ny oloko zanakavavy; Misaona aho, ary horohoro no mahazo ahy.
Jeremiah 30:12Fa izao no lazain’ i Jehovah: Maharary ny faharatranao, ary tsy azo sitranina ny ferinao.
Jeremiah 33:6Dia, indro, hotanterahiko tokoa ny fanasitranana azy, eny, hositraniko izy, ary hasehoko aminy ny haren’ ny fiadanana sy ny fahamarinana.