The Bible Software
bible.software › Bokin'i Isaia › Bokin'i Isaia 1 › Bokin'i Isaia 1:7

Bokin'i Isaia 1:7

Ny taninareo dia efa lao; Ny tanànanareo dia voadotra tamin’ ny afo; Ny tany volenareo dia lanin’ ny fahavalo eo imasonareo, ary lao izy toy ny efa noravan’ ny fahavalo.

Baiboly Malagasy (1865)

In The King James Version

Your country is desolate, your cities are burned with fire: your land, strangers devour it in your presence, and it is desolate, as overthrown by strangers.

In Context

6Hatramin’ ny faladia ka hatramin’ ny loha dia tsy misy izay tsy marary, Fa ratra sy dian-kapoka ary fery vao; Tsy mbola voaporitra, na voafehy, na voalemin’ ny diloilo izy.

8Ary Ziona zanakavavy dia nilaozana tahaka ny trano rantsan-kazo ao anaty tanim-boaloboka, Sy tahaka ny fandriana mihantona an’ ny mpiandry voly ao anaty tanimbolim-boantango, Dia tahaka ny tanàna atao fahirano.

Read all of Bokin'i Isaia 1

Cross References

Deuteronomy 28:33Ny vokatry ny taninao sy izay rehetra efa nisasaranao dia hohanin’ ny firenena izay tsy fantatrao; any hanaovan’ ny sasany an-keriny sy hotorotoroiny mandrakariva ianao.

Deuteronomy 28:48Any amin’ ny fahanoanana sy ny hetaheta sy ny fitanjahana any ny tsi-fananana na inona na inona no hanompoanao ny fahavalonao izay hampandehanin’ i Jehovah hiady aminao; dia hanisy zioga vy amin’ ny vozonao ireny mandra-pandringany anao.

2 Chronicles 28:16famin’ izany andro izany Ahaza mpanjaka naniraka tany amin’ ny mpanjakan’ i Asyria nangataka ny any hanampy azy.

Psalms 107:39Fa mihakely sy mietry indray izy Noho ny fampahoriana sy ny loza ary ny alahelo.

Isaiah 5:9Izao no ren’ ny sofiko avy amin’ i Jehovah, Tompon’ ny maro: Marina tokoa fa ho foana ny trano maro, Eny, na dia izay lehibe sady tsara aza dia tsy hisy mpitoetra.

Isaiah 6:11Ary hoy izaho: Tompo ô, mandra-pahoviana anefa? Dia hoy Izy: Mandra-pahafoanan’ ny tanàna, ka tsy hisy mponina, Ary ny trano tsy hisy olona, Ary ny tany ho lao tokoa;

This Verse In Other Editions

King James VersionBíblia Portuguesa MundialLuther Bibel (Deutsch)Bible Louis Segond (Français)Библия (Русский)新标点和合本성경 (한국어)الكتاب المقدس باللغة العربية، فان دايكBibbia Diodati (Italiano)Kinh Thánh (Tiếng Việt)Biblia Cornilescu (Română)Polish Biblia Gdanska (1881)Statenvertaling (Nederlands)

Study Bokin'i Isaia 1:7

Matthew HenryJamieson-Fausset-BrownAdam ClarkeJohn WesleyJohn CalvinKeil and DelitzschScofieldFamily Bible NotesGeneva Bible Notes (1599)
← Bokin'i Isaia 1:6Bokin'i Isaia 1Bokin'i Isaia 1:8 →