Bokin'i Isaia 10:2
Hampialany ny mahantra amin’ ny fitsarana sy hanalany ny rariny amin’ izay ory eo amin’ ny oloko, Handrobany ny mpitondratena sy hamaboany ny kamboty!
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
1Lozan’ izay mamorona fikasana tsy marina sy izay mpanoratra manoratra fampahoriana,
Cross References
Exodus 23:6Aza mamily ny rariny izay ananan’ ny malahelo ao aminao, raha manana ady izy.
Psalms 94:6Ny mpitondratena sy ny vahiny vonoiny, Ary ny kamboty dia matiny
Proverbs 30:14Misy taranaka izay toy ny sabatra ny nifiny, Ary toy ny antsy ny vazany, Hamongotra ny ory tsy ho amin’ ny tany Sy ny malahelo tsy ho amin’ ny olona.
Isaiah 1:23Ny lehibenao dia mpiodina sady naman’ ny mpangalatra; Samy tia kolikoly sy fatra-nitady tambitam-by avokoa izy rehetra; Ny kamboty tsy mba omeny rariny, Ary ny adin’ ny mpitondratena tsy avelany ho entina eo anatrehany.
Isaiah 5:7Fa ny taranak’ i Isiraely no tanim-boalobok’ i Jehovah, Tompon’ ny maro, Ary ny lehilahy amin’ ny Joda no voly tiany; Dia nanantena fitsarana marina Izy, kanjo fandatsahan-drà; Niandry fahamarinana Izy, kanjo, indro, fitarainana.
Isaiah 29:21Dia ireo manameloka olona amin’ ny teny ary mamandrika izay mananatra eo am-bavahady sy mamadika ny marina amin’ ny lainga foana.