Bokin'i Isaia 10:20
Ary amin’ izany andro izany ny Isiraely sisa, izay tsy ringana amin’ ny taranak’ i Jakoba, dia tsy hiankina amin’ izay namely azy intsony; Fa Jehovah, Iray Masin’ ny Isiraely, ihany no hiankinany marina tokoa.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
19Ary ho vitsy ny hazo sisa any an’ alany, ka na dia izay mbola zaza aza hahasoratra azy.
21Ary izay sisa amin’ i Jakoba dia hiverina ho amin’ Andriamanitra Mahery.
Cross References
2 Kings 19:31Fa hisy sisa hiseho avy any Jerosalema sy sisa afaka avy any an-tendrombohitra Ziona; ny fahasaro-piaron’ i Jehovah, Tompon’ ny maro, no hanao izany.
2 Chronicles 28:20Ary Tiglato-pilesera, mpanjakan’ i Asyria, tonga tao aminy, nefa nampahory azy fa tsy nampahery azy.
Isaiah 1:9Raha tsy nosisan’ i Jehovah. Tompon’ ny maro, olona vitsivitsy isika, Dia efa tonga tahaka an’ i Sodoma Ary nitovy tamin’ i Gomora.
Isaiah 6:13Ary na dia misy ampahafolony aza sisa, Dia mbola hosimbana ihany koa izany Kanefa kosa tahaka ny hazo terebinta sy ny ôka, Izay mbola misy fotony ihany na dia voakapa aza, Dia toy izany no mbola hisiana taranaka masìna ho fotony.
Isaiah 17:7Amin’ izany andro izany dia hanandrandra ny Mpanao azy ny olona, ary ny masony hijery ny Iray Masin’ ny Isiraely,
Isaiah 37:4Angamba ho ren’ i Jehovah Andriamanitrao ny tenin-dRabsake, izay nirahin’ ny mpanjakan’ i Asyria tompony hihaika an’ Andriamanitra velona, ka mba hovaliany izy noho ny teny izay efa ren’ i Jehovah Andriamanitrao; koa aingao ny fivavakao hamonjy izay mbola sisa.