Bokin'i Isaia 10:24
Koa izao no lazain’ i Jehovah, Tompon’ ny maro: Ry oloko, izay monina any Ziona, Aza matahotra ny Asyriana, raha mamely anao amin’ ny tsorakazo izy ary manainga ny tehina aminao, tahaka ny fanao tany Egypta;
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
23Fa fahafonganana voatendry no hataon’ i Jehovah, Tompon’ ny maro, Ao amin’ ny tany.
Cross References
Exodus 1:10andeha hanaovantsika hevitra ireo, fandrao hihamaro izy, ka raha tahìny hisy ady, dia homba ny fahavalontsika koa izy ka hiady amintsika, ary dia hiakatra hiala amin’ ny tany.
Exodus 5:14Ary ny mpifehy ny Zanak’ Isiraely, izay notendren’ ny mpampiasa avy amin’ i Farao mba hifehy azy, dia nokapohina ka nanontaniana hoe: Ahoana no tsy nahavitanareo ny anjaranareo tamin’ ny fanaovana ny biriky omaly sy androany, tahaka ny teo aloha?
Exodus 14:21Dia nahinjitr’ i Mosesy teo ambonin’ ny ranomasina ny tànany; ary rivotra mahery avy atsinanana no nampisavan’ i Jehovah ny ranomasina mandritra iny alina iny, ka nataony tany maina ny ranomasina, ary dia voasaraka ny rano.
2 Kings 19:6Ary hoy Isaia taminy: Ambarao amin’ ny tomponareo hoe: Izao no lazain’ i Jehovah: Aza matahotra ny teny efa renao, dia izay nanompan’ iretsy ankizilahin’ ny mpanjakan’ i Asyria iretsy Ahy.
Isaiah 4:3Ary izay sisa any Ziona sy izay mbola mitoetra any Jerosalema dia hatao hoe masìna. Dia izay rehetra voasoratra ho isan’ ny velona any Jerosalema.
Isaiah 9:4Fa ny kiraron’ izay mitrevatreva fandeha eo amin’ ny fihorakorahan’ ny ady sy ny fitafiana mihosindra dia samy hodoroana, eny, ho kitay hatohoka amin’ ny afo izany.