Bokin'i Isaia 10:26
Eny, Jehovah, Tompon’ ny maro, hamely azy amin’ ny kotopia, tahaka ny namelezana ny Midiana teo am-batolampy Oreba; ary ny tsorakazony haingainy eny ambonin’ ny ranomasina ka hatsangany tahaka ny fanao tany Egypta.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Cross References
Exodus 14:16Ary aingao ny tehinao, dia ahinjiro ambonin’ ny ranomasina ny tananao, ka saraho ny rano, dia handeha hamaky eo afovoan’ ny ranomasina mandia ny tany maina ny Zanak’ Isiraely.
Judges 7:25Ary nisambotra ny andriana roa lahy amin’ ny Midiana izy, dia Oreba sy Zeba, ary Oreba novonoiny teo ambonin’ ny vatolampin’ i Oreba, ary Zeba novonoiny teo amin’ ny famiazam-boalobok’ i Zeba, dia nanenjika ny Midiana izy; ary ny lohan’ i Oreba sy Zeba dia nentiny tany amin’ i Gideona tany an-dafin’ i Jordana.
Nehemiah 9:10dia nanao famantarana sy fahagagana tamin’ i Farao sy ny mpanompony rehetra sy tamin’ ny olona rehetra tany amin’ ny taniny Hianao; fa fantatrao fa nirehareha taminy ireo; dia nanao anarana ho Anao Hianao tahaka ny amin’ izao anio izao.
Psalms 83:11Maty tany En-dora ireo; tonga zeziky ny tany izy.
Isaiah 9:3Fa ny bao fitondran-entany sy ny tsorakazo nikapohana ny lamosiny; Izay tsorakazon’ ny mpampiasa azy, Dia tapahinao tahaka ny tamin’ ny andro namelezana ny Midiana.
Isaiah 10:16Koa izany no anateran’ ny Tompo, dia ny Tompon’ ny maro, fahahiazana amin’ ny tremalahiny; Ary ao ambanin’ ny voninahiny dia hisy mirehitra toy ny firehitry ny afo.