Bokin'i Isaia 10:3
Ary ahoana no hataonareo amin’ ny andro famaliana sy amin’ ny fandravana izay avy amin’ ny lavitra? Ho any amin’ iza no handosiranareo hamonjy anareo? Ary aiza no hametrahanareo ny harenareo?
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Cross References
Deuteronomy 28:49Ho entin’ i Jehovah hiady aminao izay firenena avy lavitra, dia ny avy amin’ ny faran’ ny tany-tahaka ny fanidin’ ny voromahery no fihaviny, sady firenena izay tsy ho fantatrao ny fiteniny,
2 Kings 7:15Dia nandeha nanaraka azy hatrany Jordana ireo; ary, indreny, ny lalambe rehetra feno fitafiana sy fanaka izay efa narian’ ny Syriana, raha nandositra tamin’ ny fahatairana izy. Ary ny iraka niverina ka nilaza tamin’ ny mpanjaka.
Psalms 49:16Fa Andriamanitra kosa hamonjy ny aiko amin’ ny herin’ ny fiainan-tsi-hita, Satria handray ahy Izy. [Sela.]
Isaiah 2:20Amin’ izany andro izany dia harian’ ny olona Ho an’ ny voalavo sy ny manavy Ny andriamani-bolafotsiny sy ny andriamani-bolamenany Izay nataony hiankohofany eo anatrehany
Isaiah 5:26Ary hanangana faneva ho amin’ ny firenena lavitra Izy sady hisiaka hiantso ny iray avy any am-paran’ ny tany; Ary, indro, ho avy faingana dia faingana ireo;
Isaiah 26:21Fa, indro, Jehovah mivoaka avy amin’ ny fitoerany hamaly ny mponina amin’ ny tany noho ny helony; Ary ny tany hampiseho ny rà izay nofohiny ka tsy hanafina intsony izay novonoina teo aminy.