Bokin'i Isaia 10:33
Indro, Jehovah, Tompon’ ny maro, manapaka ny rantsany madinika amin’ ny heriny mahatahotra; Ary izay mijoaka lava no voakapa, ary izay avo no aetry;
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
34Ary kapaina vy ny ala mikirindro, ary Libanona dia alamaky ny iray Mahery.
Cross References
2 Chronicles 32:21Ary Jehovah naniraka anjely izay nandringana ny lehilahy mahery rehetra sy ny mpanapaka ary ny komandy teo an-tobin’ ny mpanjakan’ i Asyria, ka dia lasa nody amin-kenatra Sankeriba. Ary nony niditra tao an-tranon’ ny andriamaniny izy, dia namono azy tao tamin’ ny sabatra ny zanany naterany.
Isaiah 2:11Ny fiandranandran’ ny mason’ ny zanak’ olombelona dia haetry, Ary ny fiavonavonan’ ny olona hatao mitanondrika; Fa Jehovah ihany no hisandratra amin’ izany andro izany.
Isaiah 2:13Dia ny sedera rehetra any Libanona, izay avo sady andrandraina, Sy ny hazo ôka rehetra any Basana
Isaiah 18:5Fa raha mbola tsy tonga ny fararano, rehefa tapitra ny fitsimohany, ka efa mby am-boany ny voniny, dia horantsanany amin’ ny fanetezam-boaloboka ny rantsany, ary hotapahiny sy hesoriny ny sakeliny.
Isaiah 37:24Ny mpanomponao no nihaikanao ny Tompo hoe: Tamin’ ny kalesiko maro no niakarako tany an-tampon’ ny tendrombohitra, tao afovoan’ i Libanona; Ary hokapaiko ny sedera avo sy ny kypreso voafantina, dia hiditra any amin’ ny faran’ ny azo iakarana ao aho sy any amin’ ny alany midokadoka,
Jeremiah 22:7Ary hanendry mpandrava hamely anao Aho, Izay samy hitondra ny fiadiany avy; Dia hokapain’ ireo ny sederanao voafantina ka hariany ao anaty afo.