Bokin'i Isaia 10:7
Kanjo tsy izany no kasainy, ary tsy izany no heverin’ ny fony; Fa ny handringana sy ny hamongotra firenena tsy vitsy no ao am-pony.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
8Fa hoy izy: Tsy mpanjaka avokoa va ireny governorako ireny?
Cross References
Genesis 50:20Hianareo no nisaina hanisy ratsy ahy; fa Andriamanitra kosa nisaina izany ho soa, hanao tahaka ny amin’ izao anio izao, hamelona olona betsaka.
Isaiah 36:19Aiza moa ny andriamanitr’ i Hamata sy Arpada? Ary aiza koa ny andriamanitr’ i Sefarvaima? Nahavonjy an’ i Samaria tamin’ ny tanako va ireo andriamaniny?
Isaiah 37:19ary efa nanary ny andriamaniny tao anaty afo, satria tsy Andriamanitra ireny, fa asan’ ny tànan’ olona ihany, dia hazo sy vato, ka dia azony nosimbana.
Micah 4:11Ary ankehitriny dia tafangona hamely anao ny firenena maro, Izay manao hoe: Aoka halam-baraka Ziona, Ary aoka ny masontsika ho faly mijery azy.
Acts 2:23Izy efa natolotra araka ny saina niniana sy ny fahalalan’ Andriamanitra rahateo, dia nohomboanareo sy novonoinareo tamin’ ny tanan’ ny olona tsy tan-dalàna;