The Bible Software
bible.software › Bokin'i Isaia › Bokin'i Isaia 10 › Bokin'i Isaia 10:9

Bokin'i Isaia 10:9

Tsy tahaka an’ i Karkemisy va Kalno? Tsy tahaka an’ i Arpada va Hamata? Ary tsy tahaka an’ i Damaskosy va Samaria?

Baiboly Malagasy (1865)

In The King James Version

Is not Calno as Carchemish? is not Hamath as Arpad? is not Samaria as Damascus?

In Context

8Fa hoy izy: Tsy mpanjaka avokoa va ireny governorako ireny?

10Tahaka ny nahatraran’ ny tanako ny fanjakan’ ny andriamani-tsi-izy, na dia nihoatra noho ny an’ i Jerosalema sy ny an’ i Samaria aza ny sampin’ ireo,

Read all of Bokin'i Isaia 10

Cross References

Genesis 10:10Ary ny niandohan’ ny fanjakany dia Babela sy Ereka sy Akada ary Kalne tany amin’ ny tany Sinara.

2 Kings 16:9Dia nanaiky ny teniny ny mpanjakan’ i Asyria ka niakatra hamely an’ i Damaskosy ary nahafaka azy; dia nentiny ho any Kira ny olona nobaboiny, fa Rezina kosa novonoiny.

2 Kings 17:24Ary ny mpanjakan’ i Asyria nitondra olona avy tany Babylona sy Kota sy Ava sy Hamata sy Sefarvaima ka namponina azy teny amin’ ny tanànan’ i Samaria nisolo ny Zanak’ Isiraely; dia nahazo an’ i Samaria ireny ka nitoetra teny amin’ ny tanànany.

2 Kings 18:10Ary nony tapitra ny telo taona, dia afak’ ireo ny tanàna; dia tamin’ ny taona fahenina nanjakan’ i Hezekia, izay taona fahasivy nanjakan’ i Hosea, mpanjakan’ ny Isiraely, no nahafahana an’ i Samaria.

Isaiah 7:8Fa ny lohan’ i Syria dia Damaskosy, Ary ny lohan’ i Damaskosy dia Rezina (Ary ao anatin’ ny dimy amby enim-polo taona dia ho rava ny Efraima ka tsy ho vanon-ko firenena intsony),

Isaiah 33:8Maty ny lalambe; Tsy misy ny mpandeha; Nofoanany ny fanekena; Nalany baraka ny tanàna; Tsy nanaja olona izy.

This Verse In Other Editions

King James VersionBíblia Portuguesa MundialLuther Bibel (Deutsch)Bible Louis Segond (Français)Библия (Русский)新标点和合本성경 (한국어)الكتاب المقدس باللغة العربية، فان دايكBibbia Diodati (Italiano)Kinh Thánh (Tiếng Việt)Biblia Cornilescu (Română)Polish Biblia Gdanska (1881)Statenvertaling (Nederlands)

Study Bokin'i Isaia 10:9

Matthew HenryJamieson-Fausset-BrownAdam ClarkeJohn WesleyJohn CalvinKeil and DelitzschScofieldFamily Bible NotesGeneva Bible Notes (1599)
← Bokin'i Isaia 10:8Bokin'i Isaia 10Bokin'i Isaia 10:10 →