Bokin'i Isaia 11:1
Ary hisy Solofo mitsimoka eo amin’ ny fototr’ i Jese, ary hisy mitrebona avy eo amin’ ny fakany;
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
And there shall come forth a rod out of the stem of Jesse, and a Branch shall grow out of his roots:
In Context
Cross References
Ruth 4:17Ary ny vehivavy namany nifidy ny anarany ka nanao hoe: Misy zazalahy teraka ho an’ i Naomy; ary ny anarany nataony hoe Obeda; izy no rain’ i Jese, rain’ i Davida.
1 Chronicles 2:12ary Boaza niteraka an’ i Obeda; ary Obeda niteraka an’ i Jese;
Isaiah 4:2Amin’ izany andro izany ny rantsan’ i Jehovah dia ho tonga fahatsaran-tarehy sy voninahitra, Ary ny vokatry ny tany dia ho rehareha sy firavaka ho an’ ny Isiraely sisa afaka;
Isaiah 11:10Ary amin’ izany andro izany ny solofon’ i Jese, Izay hitsangana ho fanevan’ ny firenena, dia Izy no hotadiavin’ ny jentilisa; Ary ny fitoerany dia ho voninahitra.
Jeremiah 23:5Indro, avy ny andro, hoy Jehovah, izay hananganako Rantsana marina ho an’ i Davida, ka hanjaka Izy sady ho hendry ary hanao fitsarana sy fahamarinana amin’ ny tany.
Ezekiel 17:22Izao no lazain’ i Jehovah Tompo: Izaho dia haka amin’ ny rantsana avo indrindra amin’ ny sedera avo, ka hamboleko izany; holaingosako ny tendron’ ny laingony milenodenoka, ka hamboleko ao amin’ ny tendrombohitra avo sy milangalanga izany.