Bokin'i Isaia 11:10
Ary amin’ izany andro izany ny solofon’ i Jese, Izay hitsangana ho fanevan’ ny firenena, dia Izy no hotadiavin’ ny jentilisa; Ary ny fitoerany dia ho voninahitra.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Cross References
1 Chronicles 2:12ary Boaza niteraka an’ i Obeda; ary Obeda niteraka an’ i Jese;
Psalms 91:4Ny volon’ elany no anaronany anao, Ary ao ambanin’ ny elany no hialofanao; Ho ampinga kely sy ampinga lehibe ny fahamarinany.
Psalms 145:11Milaza ny voninahitry ny fanjakanao izy Sady miresaka ny herinao,
Isaiah 2:2Ary izao no ho tonga any am-parany: Ny tendrombohitra misy ny tranon’ i Jehovah dia haorina eo an-tampon’ ny tendrombohitra Ary hasandratra ho avo noho ny havoana; Ary ny jentilisa rehetra hitanjozotra hankany.
Isaiah 2:11Ny fiandranandran’ ny mason’ ny zanak’ olombelona dia haetry, Ary ny fiavonavonan’ ny olona hatao mitanondrika; Fa Jehovah ihany no hisandratra amin’ izany andro izany.
Isaiah 14:3Ary amin’ ny andro hanomezan’ i Jehovah fitsaharana anao ho afaka amin’ ny fahorianao sy ny fitebitebin’ ny fonao ary ny fanompoana mafy izay nampanompoana anao,