Bokin'i Isaia 11:14
Fa hipaoka ny tanin’ ny Filistina any andrefana ireo sy hiara-mamabo ny zanaky ny atsinanana; amin’ i Edoma sy Moaba no haninjirany ny tanany, ary ny taranak’ i Amona hanoa azy.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Cross References
Judges 6:3Ary rehefa namafy voa ny Isiraely, dia avy ny Midiana sy ny Amalekita ary ny zanaky ny atsinanana ka niakatra hanafika azy.
Isaiah 25:10Fa hipetraka amin’ ity tendrombohitra ity ny tànan’ i Jehovah, ary Moaba hohosihosena ao amin’ izay itoerany, dia tahaka ny fanosihosena ny mololo miavosa amin’ ny rano ao am-pahitra;
Isaiah 34:5Fa ny sabatro dia mamon-drà any amin’ ny lanitra; Indro, hidina hihatra amin’ i Edoma iny sy amin’ ny firenena voatendriko haringana, mba ho fitsarana azy.
Isaiah 60:14Ny zanak’ izay nampahory anao dia handeha hiondrika eo anatrehanao, ary hiankohoka amin’ ny faladianao izay rehetra nanamavo anao; ary izy hanao anao hoe Tanànan’ i Jehovah, Zionan’ ny Iray Masin’ ny Isiraely.
Jeremiah 49:2Koa, indro, avy ny andro, hoy Jehovah, izay hampandrenesako akoran’ ady amin’ ny famelezana an’ i Raban’ ny taranak’ i Amona, ary ho tanànaolo rava izy, ary ny zana-bohiny hodorana amin’ ny afo; Ary ny Isiraely hahalasa ny an’ izay nahalaza azy, hoy Jehovah.
Ezekiel 25:14Ary ny tanan’ ny Isiraely oloko no ho entiko mamaly an’ i Edoma, ka hanao aminy araka ny fahatezerako sy ny fahavinirako ireo; Ka dia ho fantany ny famaliako, hoy Jehovah Tompo.