The Bible Software
bible.software › Bokin'i Isaia › Bokin'i Isaia 11 › Bokin'i Isaia 11:15

Bokin'i Isaia 11:15

Ary Jehovah handritra ny sakeli-dranomasina Egyptiana ary haninjitra ny tànany amin’ ny ony ka hamely azy amin’ ny rivony mahamay Ka hampisaraka azy hisampana fito Ary hahatafita ny olona tsy miala kapa.

Baiboly Malagasy (1865)

In The King James Version

And the LORD shall utterly destroy the tongue of the Egyptian sea; and with his mighty wind shall he shake his hand over the river, and shall smite it in the seven streams, and make men go over dryshod.

In Context

14Fa hipaoka ny tanin’ ny Filistina any andrefana ireo sy hiara-mamabo ny zanaky ny atsinanana; amin’ i Edoma sy Moaba no haninjirany ny tanany, ary ny taranak’ i Amona hanoa azy.

16Ary hisy lalana voavoatra halehan’ ny olony sisa, izay sisa avy any Asyria, dia toy ny ho an’ ny Isiraely tamin’ ny andro niakarany avy tany amin’ ny tany Egypta.

Read all of Bokin'i Isaia 11

Cross References

Exodus 14:21Dia nahinjitr’ i Mosesy teo ambonin’ ny ranomasina ny tànany; ary rivotra mahery avy atsinanana no nampisavan’ i Jehovah ny ranomasina mandritra iny alina iny, ka nataony tany maina ny ranomasina, ary dia voasaraka ny rano.

Exodus 14:29Fa ny Zanak’ Isiraely kosa nandeha tamin’ ny tany maina teo afovoan’ ny ranomasina; ary ny rano dia tonga fefy ho azy teo amin’ ny ankavanany sy teo amin’ ny ankaviany.

Isaiah 7:20Amin’ izany andro izany koa ny Tompo hanaratra ny loha sy ny volon-tongotra Amin’ ny hareza nohofana any amoron’ ny Ony (Dia ny mpanjakan’ i Asyria); Ary ny volom-bava hokakasana amin’ iny koa.

Isaiah 19:16Amin’ izany andro izany dia ho tahaka ny vehivavy Egypta ka ho toran-kovitra sy ho raiki-tahotra noho ny faninjitr’ i Jehovah, Tompon’ ny maro, ny tànany, izay ahinjiny hamelezany azy.

Isaiah 51:9Mifohaza, mifohaza, ry sandrin’ i Jehovah, mitafia hery! Mifohaza tahaka ny tamin’ ny andro fahiny! dia tamin’ ny taranaka lasa ela. Tsy Hianao va Ilay nitetitetika an-dRahaba sy nitomboka ny dragona?

Ezekiel 30:12Hahatankina an’ i Neily sy hivarotra ny tany ho eo an-tànan’ ny ratsy fanahy Aho, ary ny tanan’ ny fahavalo no ho entiko mandrava ny tany mbamin’ izay rehetra ao aminy; Izaho Jehovah no niteny izany.

This Verse In Other Editions

King James VersionBíblia Portuguesa MundialLuther Bibel (Deutsch)Bible Louis Segond (Français)Библия (Русский)新标点和合本성경 (한국어)الكتاب المقدس باللغة العربية، فان دايكBibbia Diodati (Italiano)Kinh Thánh (Tiếng Việt)Biblia Cornilescu (Română)Polish Biblia Gdanska (1881)Statenvertaling (Nederlands)

Study Bokin'i Isaia 11:15

Matthew HenryJamieson-Fausset-BrownAdam ClarkeJohn WesleyJohn CalvinKeil and DelitzschScofieldFamily Bible NotesGeneva Bible Notes (1599)
← Bokin'i Isaia 11:14Bokin'i Isaia 11Bokin'i Isaia 11:16 →