The Bible Software
bible.software › Bokin'i Isaia › Bokin'i Isaia 11 › Bokin'i Isaia 11:2

Bokin'i Isaia 11:2

Ary ny fanahin’ i Jehovah hitoetra ao aminy, dia ny Fanahin’ ny fahendrena sy ny fahazavan-tsaina; Ny Fanahin’ ny fanoloran-tsaina sy ny faherezana; Ny Fanahin’ ny fahalalana sy ny fahatahorana an’ i Jehovah;

Baiboly Malagasy (1865)

In The King James Version

And the spirit of the LORD shall rest upon him, the spirit of wisdom and understanding, the spirit of counsel and might, the spirit of knowledge and of the fear of the LORD;

In Context

1Ary hisy Solofo mitsimoka eo amin’ ny fototr’ i Jese, ary hisy mitrebona avy eo amin’ ny fakany;

3Ary ho hanitra ankasitrahana aminy ny fahatahorana an’ i Jehovah, ka tsy hitsara araka ny hitan’ ny masony izy, na hampiaiky araka ny ren’ ny sofiny;

Read all of Bokin'i Isaia 11

Cross References

Deuteronomy 34:9Ary Josoa, zanak’ i Nona, dia feno ny fanahim-pahendrena, fa efa nametrahan’ i Mosesy tanana izy; dia nihaino azy ny Zanak’ Isiraely ka nanao araka izay nandidian’ i Jehovah an’ i Mosesy.

Isaiah 42:1Indro ny Mpanompoko, Izay tantanako, dia Ilay voafidiko sady sitraky ny foko Napetrako tao aminy ny Fanahiko; Hamoaka fitsipika ho an’ ny jentilisa Izy.

Isaiah 59:21Raha Izaho, dia izao no fanekeko aminy, hoy Jehovah: Ny Fanahiko Izay ao aminao sy ny teniko izay nataoko teo am-bavanao dia tsy hiala amin’ ny vavanao, na amin’ ny vavan’ ny taranakao, na amin’ ny vavan’ ny taranaky ny taranakao, hatramin’ izao ka ho mandrakizay, hoy Jehovah.

Matthew 3:16Ary raha vao natao batisa Jesosy, dia niakatra avy teo amin’ ny rano niaraka tamin’ izay Izy; ary, indro, nisokatra taminy ny lanitra, ary hitany ny Fanahin’ Andriamanitra nidina tahaka ny voromailala ka nankeo amboniny.

John 3:34Fa Izay nirahin’ Andriamanitra dia milaza ny teniny; fa tsy misy fetra ny fanomezan’ Andriamanitra ny Fanahy.

John 15:26Fa raha tonga ny Mpananatra, Izay hirahiko ho aminareo avy amin’ ny Ray, dia ny Fanahin’ ny fahamarinana Izay mivoaka avy amin’ ny Ray, dia Izy no ho vavolombelona hanambara Ahy.

This Verse In Other Editions

King James VersionBíblia Portuguesa MundialLuther Bibel (Deutsch)Bible Louis Segond (Français)Библия (Русский)新标点和合本성경 (한국어)الكتاب المقدس باللغة العربية، فان دايكBibbia Diodati (Italiano)Kinh Thánh (Tiếng Việt)Biblia Cornilescu (Română)Polish Biblia Gdanska (1881)Statenvertaling (Nederlands)

Study Bokin'i Isaia 11:2

Matthew HenryJamieson-Fausset-BrownAdam ClarkeJohn WesleyJohn CalvinKeil and DelitzschScofieldFamily Bible NotesGeneva Bible Notes (1599)
← Bokin'i Isaia 11:1Bokin'i Isaia 11Bokin'i Isaia 11:3 →