Bokin'i Isaia 11:4
Fa hotsarainy amin’ ny fahamarinana ny malahelo; Ary homeny rariny ny mpandefitra amin’ ny tany; hamely ny tany amin’ ny tsorakazon’ ny vavany Izy, ary ny fofonain’ ny molony no hamonoany ny ratsy fanahy.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
5Fahamarinana no ho fisikinany, ary fanahy mahatoky no ho fehin-kibony
Cross References
2 Samuel 23:2Ny Fanahin’ i Jehovah no mampiteny ahy, ary ny teniny no eo amin’ ny lelako;
Job 4:9Ny fofonain’ Andriamanitra no andringanana azy. Eny, ny fofonain’ ny fahatezerany no mahalevona azy.
Psalms 2:9Hotorotoroinao amin’ ny tehim-by izy: toy ny famaky vilany tany no hanamontsamontsananao azy.”
Psalms 45:6Ny zana-tsipìkanao dia voaranitra ― Firenena maro no ringana ka hitsakitsahinao ― ka mitsatoka ao am-pon’ ny fahavalon’ ny mpanjaka.
Psalms 72:1Nataon’ i Solomona. Andriamanitra ô, omeo ho an’ ny mpanjaka ny fitsarànao, ary ho an’ ny zanaky ny mpanjaka ny fahamarinanao.
Psalms 76:10Raha nitsangana hitsara Andriamanitra mba hamonjy ny mpandefitra rehetra ambonin’ ny tany. [Sela.]