Bokin'i Isaia 14:23
Ary hataoko fonenan’ ny sokina sy fihandronan’ ny rano izy, ary hofafako kifafa fandringanana izy, hoy Jehovah, Tompon’ ny maro.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Cross References
1 Kings 14:10koa noho izany dia, indro, hahatonga loza amin’ ny taranak’ i Jeroboama Aho ka handringana izay lehilahy rehetra amin’ ny tamingan’ i Jeroboama, na ny voahazona na ny afaka amin’ ny Isiraely, ary hanaisotra ny sisa amin’ ny taranak’ i Jeroboama Aho, toy ny fanaisotry ny olona ny diky ambara-paha-tsy hisy intsony.
Isaiah 13:21Fa ny bibi-dia any an-efitra no hitoetra any, ho feno vorondolo ny tranony, ny ostritsa no hitoetra any, ary ny osilahy no hitsambikimbikina any,
Isaiah 34:11Fa ho zara-tanin’ ny sama sy ny sokina izy, ny vorondolo lehibe sy ny goaika dia hitoetra ao; Ary hohenjaniny eo aminy ny famolaina fikorontanana sy ny pilao fahafoanana.
Jeremiah 51:25Indro mamely anao Aho, ry tendrombohitra ahitan-doza. Izay mandringana ny tany rehetra, hoy Jehovah; Ary hahinjitro ny tanako hamelezana anao, dia hakodiako hianjera amin’ ny harambato ianao ka hataoko tendrombohitra mirehitra.
Zephaniah 2:14Ary hisy andiany handry ao aminy, Dia fivorian’ ny karazam-biby samy hafa, Ny sama sy ny sokina hitoetra ao amin’ ny kapitaliny; Feo mikiririoka no ho re ao am-baravarankely, Ary fandravana no ho eo an-tokonana, Fa hendahany ny rafitra sedera.
Revelation 18:2Ary niantso tamin’ ny feo mahery izy ka nanao hoe: Rava! rava Babylona lehibe! ka tonga fonenan’ ny demonia sy fieren’ ny fanahy maloto rehetra ary akanin’ ny vorona rehetra izay maloto sy ankahalaina.