Bokin'i Isaia 14:24
Jehovah, Tompon’ ny maro, efa nianiana hoe: Araka izay noheveriko no hatao aminy ary araka izay nokasaiko no hotovina aminy,
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Cross References
Genesis 41:32Ary naverina indroa ny nofin’ i Farao, satria efa voatendrin’ Andriamanitra izany zavatra izany ka hotanterahin’ Andriamanitra faingana.
Joshua 11:20Fa avy tamin’ i Jehovah no nanamafian’ ireo ny fony hiady amin’ ny Isiraely, mba hanaovany azy ho zavatra voaozona, ka tsy nisy famindram-po, handringanana azy araka izay efa nandidian’ i Jehovah an’ i Mosesy.
Psalms 33:10Jehovah mahafoana ny fisainan’ ny firenen-tsamy hafa; Mahatsinontsinona ny hevitry ny olona Izy.
Psalms 110:4Efa nianiana Jehovah ka tsy hanenina: Hianao no Mpisorona mandrakizay Araka ny fanaon’ i Melkizedeka.
Proverbs 21:30Tsy misy fahendrena, na fahalalana, Na fisainana mahaleo an’ i Jehovah.
Jeremiah 23:20Ny fahatezeran’ i Jehovah tsy ho afaka ambara-panefany sy ambara-panatanterany ny hevitry ny fony; Mbola ho fantatrareo marimarina izany any am-parany.