Bokin'i Isaia 14:30
Ny faraidina indrindra hihinana, ary ny mahantra handry fahizay; Fa hataoko maty mosary kosa izay tsy ringana aminao, eny, izay sisa aminao ho matiny.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Cross References
Job 18:13Eny, laniny tsikelikely ny hodiny; ny momba ny tenany dia lanin’ ny lahimatoan’ ny fahafatesana.
Isaiah 5:17Ary ny zanak’ ondry hikania toy ny eny amin’ ny tany fiandrasana azy ihany; Ary ny tany foana izay nipetrahan’ ny matavy, dia mpirenireny no hiandry ondry ao.
Isaiah 8:21Dia samy hivezivezy amin’ ny tany izy rehetra sady mahantra no mosarena; Ary rehefa mosarena izy, dia ho sosotra ka hanozona ny mpanjakany sy Andriamaniny, ary dia hiandrandra;
Isaiah 30:23Ary dia hanome ranonorana ho an’ ny voa nafafinao any an-tsaha Izy, sy mofo vokatry ny tany sady tsara no vokatra; Ary amin’ izany andro izany ny ombinao dia hihinana eny amin’ ny tany malalaka;
Isaiah 37:30Ary izao no ho famantarana ho anao kosa: Hihinana ny maniry ho azy amin’ ity taona ity ianareo; ary amin’ ny taona manaraka dia ny kolokolon’ izany, fa amin’ ny taona fahatelo kosa dia mamafaza ianareo, ka mijinjà, ary manaova tanim-boaloboka, ka mihinàna izay vokatra eo.
Isaiah 65:13Koa izao no lazain’ i Jehovah Tompo: Indro, ny mpanompoko hihinana, fa ianareo kosa ho mosarena; Indro, ny mpanompoko hisotro, fa ianareo kosa ho main-tenda; indro, ny mpanompoko hifaly, fa ianareo kosa ho menatra;