Bokin'i Isaia 14:6
Izay namely firenena tamin’ ny fahatezerana, tamin’ ny famelezana tsy nanam-pitsaharana, sady nampanompo firenena tamin’ ny fahatezerana, tamin’ ny fanenjehana tsy misy antra.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
5Jehovah efa nanapatapaka ny tehin’ ny ratsy fanahy. Dia ny tehina fanapahan’ ny mpanapaka,
7Miadana ka mandry fahizay ny tany rehetra; Velominy ao ny hoby,
Cross References
2 Chronicles 36:17Koa nentiny namely azy ny mpanjakan’ ny Kaldeana, izay namono ny zatovony tamin’ ny sabatra tao an-trano fitoerana masìna, ary tsy nisy namindrany fo, na zatovo na virijina, na ny antitra sy ny fotsy volo; fa izy rehetra dia natolony ho eo an-tànany avokoa.
Proverbs 21:30Tsy misy fahendrena, na fahalalana, Na fisainana mahaleo an’ i Jehovah.
Isaiah 10:14Ary tahaka ny fakàna ny ao amin’ ny akanim-borona no nakan’ ny tanako ny haren’ ny firenena; Ary tahaka ny famory atody nilaozan-dreniny no namoriako ny any amin’ ny tany rehetra, Ka tsy nisy nikopaka elatra, na nisoka-bava, na nikiakiaka.
Isaiah 21:1Faminaniana ny amin’ ny loza hanjo ny Efitra Ranobe. Tahaka ny firimorimon’ ny tadio any atsimo no fihaviny avy any an-efitra, dia avy any amin’ ny tany mahatahotra.
Isaiah 46:10Izay manambara ny farany hatramin’ ny voalohany, ary nanambara hatramin’ ny ela izay tsy mbola natao akory, dia ilay manao hoe: Ho tò ny fikasako, ary hefaiko ny sitrapoko rehetra,
Jeremiah 25:9dia, indro, hampanalaiko ny firenena rehetra any avaratra sy Nebokadnezara, mpanjakan’ i Babylona, mpanompoko, hoy Jehovah, ary ho entiko hamely ity lany ity sy ny mponina eto mbamin’ ireto firenena manodidina rehetra ireto izy, ary haringako tokoa ireo ka hataoko ho figagana sy zavatra mampisitrisitra sady ho rava mandrakizay.