Bokin'i Isaia 15:3
Eny an-dalambe dia misikìna lamba fisaonana izy; eny an-tampon-tranony sy eny an-kalalahana dia midradradradra avokoa izy, eny, mijohy ny ranomasony.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Cross References
2 Samuel 3:31Ary hoy Davida tamin’ i Joaba sy ny olona rehetra izay teo aminy: Triaro ny fitafianareo, ary misikìna lamba fisaonana, ka aoka hisaona eo anolohan’ i Abnera ianareo. Ary Davida mpanjaka nanaraka ny tranovorona.
Isaiah 15:2Miakatra ho ao amin’ ny tempoly sy ho ao Dibona ny olona, dia ao amin’ ny fitoerana avo, mba hitomany; any Nebo sy Medeba no idradradradran’ i Moaba; Mibory ny loha rehetra; Voaharatra ny somotra rehetra.
Isaiah 22:4Koa izany no anaovako hoe: Mihodìna tsy hijery ahy, fa hitomany mafy dia mafy aho; Aza dia fatra-pampionona ahy noho ny fandringanana ny oloko zanakavavy
Jeremiah 48:38Eny, amin’ ny tampon-trano rehetra any Moaba sy eny an-kalalahana dia misy fisaonana avokoa; Satria torotoroiko toy ny fanaka tsy mahafinaritra intsony Moaba, hoy Jehovah.
Jonah 3:6Ary nony efa ren’ ny mpanjakan’ i Ninive izany, dia nitsangana niala tamin’ ny seza fiandrianany izy, ka nanaisotra ny akanjom-boninahiny, dia nisarona lamba fisaonana sady nipetraka tamin’ ny lavenona.