Bokin'i Isaia 15:9
Fa ny ranon’ i Dimona dia feno rà; fa mbola hampiako ny loza manjo an’ i Dimona, dia liona handrapaka izay efa mandositra avy any Moaba, sy handany izay sisa amin’ ny tany.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Cross References
Leviticus 26:18Ary raha mbola tsy mihaino Ahy ihany ianareo amin’ izany rehetra izany, dia mbola hampijaly anareo impito Aho noho ny fahotanareo.
Leviticus 26:24Izaho dia Izaho kosa no hamely anareo ka hampijaly anareo impito indray noho ny fahotanareo.
Numbers 21:30Notifirintsika izy; ringana Hesbona hatrany Dibona; nofoanantsika izy hatrany Nofa, izay mipaka an’ i Medeba.
Jeremiah 15:3Ary manendry zavatra efatra karazana Aho hamelezana azy, hoy Jehovah: Dia ny sabatra hamono sy ny amboa hamiravira ary ny voro-manidina sy ny bibi-dia hihinana sy handany;
Jeremiah 50:17Ondry iray voavily ny Isiraely, Liona no nanenjika azy; Voalohany dia ny mpanjakan’ i Asyria no nandany azy. Ary farany dia ity Nebokadnezara, mpanjakan’ i Babylona, ity no nanapatapaka ny taolany.