Bokin'i Isaia 16:10
Ny hafaliana sy ny haravoravoana efa nesorina tamin’ ny saha mahavokatra, ka tsy hisy hoby na horakoraka ao amin’ ny tanim-boaloboka; Ny mpanosihosy tsy hanosihosy divay intsony ao amin’ ny famiazana; Efa natsahatro ny fihobiana amin’ ny fararano.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Cross References
Job 24:11Manao diloilo eo anatin’ ny tambohon’ ny mpampahory azy izy; Ary manosihosy ny famiazam-boaloboka izy, nefa mangetaheta ihany.
Isaiah 32:10Raha afaka herintaona mahery dia ho raiki-tahotra ianareo, ry vehivavy matokitoky foana; Fa hanjahitra ny taom-piotazam-boaloboka, ary tsy hisy ny fanangonam-boankazo
Ezekiel 7:7Mby akaiky ny anjaranao, ry mponina amin’ ny tany; Mby akaiky ny fotoana, efa antomotra ny andro, dia akoran’ ady, fa tsy fihobiana, eny an-tendrombohitra.
Amos 5:17Ary any amin’ ny tanim-boaloboka rehetra dia hisy fisaonana; Fa handeha hamaky eo aminao Aho, hoy Jehovah.
Zephaniah 1:13Ka dia ho tonga babo ny fananan’ ireny, Ary ho lao ny tranony; Dia hanao trano izy, nefa tsy hitoetra ao, Hamboly voaloboka izy, nefa tsy hisotro ny divay avy aminy.