Bokin'i Isaia 16:5
Ary hisy seza fiandrianana hampitoerina amin’ ny famindram-po, ka hisy hipetraka eo aminy amin’ ny fahamarinana ao an-dain’ i Davida, ary hitsara sy handinika izay marina izy, sady ho faingam-pamoaka ny rariny.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Cross References
2 Samuel 5:9Dia nitoetra tao anatin’ ny batery fiarovana Davida, ary ny anarany nataony hoe: Tanànan’ i Davida. Ary narafitr’ i Davida ny manodidina hatrany Milo mbamin’ ny ao anatiny.
2 Samuel 23:3Andriamanitry ny Isiraely manao hoe, eny, ny Vatolampin’ ny Isiraely miteny amiko hoe: Indro ny Mpanapaka ny olona; Marina Izy sady manapaka amin’ ny fahatahorana an’ Andriamanitra;
2 Chronicles 31:20Ary toy izany no nataon’ i Hezekia eran’ i Joda rehetra; fa nanao izay tsara sy mety ary marina eo anatrehan’ i Jehovah Andriamaniny izy.
Psalms 72:2Hitsara ny olonao amin’ ny fahamarinana izy. Ary ny malahelolonao amin’ ny fahitsiana.
Psalms 89:1Maskila nataon’ i Etana Ezrahita.
Psalms 96:13Eo anatrehan’ i Jehovah, fa avy Izy, Eny, avy hitsara ny tany Izy; Hitsara izao tontolo izao araka ny rariny Izy Ary ny firenena amin’ ny fahamarinany.