Bokin'i Isaia 16:6
Efa renay ny fiavonavonan’ i Moaba fatra-piavonavona loatra izy dia ny fireharehany sy ny fiavonavonany sy ny fihoa-bavany ary ny fibedibediny foana.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Cross References
Isaiah 15:1Faminaniana ny amin’ ny loza hanjo an’ i Moaba. Fa tamin’ ny indray alina no nandravana an’ i Ara-moaba, ka fongotra izy; Fa tamin’ ny indray alina no nandravana an’ i Kira-moaba, ka fongotra izy;
Isaiah 28:15Satria ianareo manao hoe: Efa nanao fanekena tamin’ ny fahafatesana izahay ary efa nanao fifanarahana tamin’ ny fiainan-tsi-hita ka na dia ho avy aza ny loza manafotra, dia tsy hihatra aminy izany, fa ny lainga no nataonay ho fiarovana, ary ny fitaka ho fierena,
Isaiah 44:25Izaho mahafoana ny famantarana lazain’ ny mpibedibedy sy mampahavery saina ny mpanao fankatovana ary mampihemotra ny olon-kendry ka mampody ny fahalalany ho fahadalana,
Jeremiah 48:26Ataovy leony izy, fa niavonavona tamin’ i Jehovah; Moaba hihosinkosina amin’ ny loany sady mba ho tonga fihomehezana kosa.
Jeremiah 48:42Ary horavana tsy ho firenena intsony Moaba. Satria niavonavona tamin’ i Jehovah izy.
Amos 2:1Izao no lazain’ i Jehovah: Noho ny fahotana telon’ i Moaba, eny, efatra aza, dia tsy havelako izy, satria nodorany ho sokay ny taolan’ ny mpanjakan’ i Edoma;