Bokin'i Isaia 17:10
Fa nanadino an’ Andriamanitry ny famonjena anao ianao ary tsy nahatsiaro ny vatolampy fiarovana mafy ho anao, ka dia nanao voly mahafinaritra ianao ary zana-boaloboka avy amin’ ny firenena hafa no nambolenao teo;
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Cross References
Leviticus 26:16Izaho kosa dia hanao izao aminareo hanisy fampitahorana aminareo Aho, dia areti-mahasahozanina sy tazo mahamay, izay manimba ny maso sy mandany ny aina; ary hafafinareo foana ny voan-javatrareo, fa ny fahavalonareo no hihinana azy.
Deuteronomy 6:12dia mitandrema fandrao hadinoinao Jehovah, Izay nitondra anao nivoaka avy tany amin’ ny tany Egypta, tamin’ ny trano nahandevozana.
Deuteronomy 8:14dia hiavonavona ny fonao, ka hohadinoinao Jehovah Andriamanitrao, Izay nitondra anao nivoaka avy tany amin’ ny tany Egypta, tamin’ ny trano nahandevozana,
Deuteronomy 28:30Hifofo vady ianao, fa olon-kafa no handry aminy; hanao trano ianao, fa tsy hitoetra ao; hanao tanim-boaloboka ianao, fa tsy hihinana ny vokatra.
Deuteronomy 32:4Ny amin’ ny Vatolampy, tanteraka ny asany; Fa ny lalany rehetra dia amin’ ny rariny avokoa. Andriamanitra mahatoky Izy, ka tsy misy ratsy ao aminy; Marina sy mahitsy Izy.
Deuteronomy 32:18Ny Vatolampy Izay niteraka anao dia tsy tsaroanao, Ary hadinoinao Andriamanitra Izay nahary anao.