Bokin'i Isaia 17:11
Tamin’ ny andro nambolenao azy dia nofefenao izy, ary nony maraina dia nampitsimohinao ilay nambolenao; nefa ho vokatra miavosa izany ho amin’ ny andro fangirifiriana sy fanaintainana tsy azo sitranina.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Cross References
Job 4:8Araka izay efa hitako, dia izay miasa heloka sy mamafy fahoriana no mijinja izany.
Isaiah 18:5Fa raha mbola tsy tonga ny fararano, rehefa tapitra ny fitsimohany, ka efa mby am-boany ny voniny, dia horantsanany amin’ ny fanetezam-boaloboka ny rantsany, ary hotapahiny sy hesoriny ny sakeliny.
Jeremiah 5:31Ny mpaminany maminany lainga, ny mpisorona: manapaka araka izay atoron’ ireny, ary ny oloko mankasitraka izany; Koa hanao ahoana re ianareo any am-parany?
Hosea 9:1Aza dia fatra-pifaly loatra, toy ny firenena hafa, ry Isiraely; Fa ianao efa nijangajanga niala tamin’ Andriamanitrao sady efa tia tangy teny am-pamoloana rehetra;
Hosea 10:12Mamafaza ho anareo araka ny fahamarinana, mijinjà araka ny fitiavana, hevoy ny tombam-borakareo; Fa izao no andro hitadiavana an’ i Jehovah ambara-pihaviny sy handatsahany fahamarinana aminareo.
Matthew 8:11Ary lazaiko aminareo fa maro ny avy any atsinanana sy any andrefana no ho tonga ka hipetraka hiara-mihinana amin’ i Abrahama sy Isaka ary Jakoba any amin’ ny fanjakan’ ny lanitra;