Bokin'i Isaia 17:14
Raha hariva ny andro, dia, injao, fampahatahorana; ary raha tsy mbola maraina akory aza, dia tsy ao intsony ireny. Izany no anjaran’ izay mamabo antsika sy tambin’ izay mandroba antsika.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Cross References
Judges 5:31Ho levona tahaka izany anie ny fahavalonao rehetra, Jehovah ô; Fa aoka izay tia Azy kosa ho tahaka ny masoandro, raha miposaka amin’ ny heriny izy. Dia nandry ny tany efa-polo taona.
2 Kings 19:35Ary tamin’ ny alin’ io dia avy ilay Anjelin’ i Jehovah ka namely olona dimy arivo amby valo alina sy iray hetsy tao an-tobin’ ny Asyriana; ary nony maraina koa vao nifoha olona, dia hita fa, indreo, efa maty avokoa ireo.
Psalms 37:36Kanjo nandalo izy ka, indro, tsy teo intsony; Ary nitady azy ka, tsy hita izy.
Isaiah 10:28Injao! tonga any Aiata izy, mamaky an’ i Migrona izy ary mametraka ny entany ao Mikmasy,
Isaiah 29:2Dia hampahory an’ i Ariela Aho, ka hisy fisentoana sy fitarainana ao aminy; Ary ho tonga Ariela tokoa amiko izy.
Isaiah 33:1Lozanao, ry ilay mandroba, nefa tsy norobaina ianao! Ary mamitaka, nefa tsy nofitahina ianao! Rehefa mitsahatra ny mandrava ianao, dia vao horavana kosa; Ary rehefa mitsahatra ny mamitaka ianao, dia vao hofitahina kosa.