Bokin'i Isaia 17:2
Efa lao ny tanànan’ i Aroera ka ho an’ ny andian’ ny ondry aman’ osy, handry ao ireo, ka tsy hisy hanaitaitra azy,
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
1Indro, Damaskosy, dia rava tsy ho tanàna intsony, eny, tonga korontam-bato izy.
Cross References
Deuteronomy 2:36Hatrany Aroera, izay eo amoron’ ny lohasahan-driaka Arnona, dia hatramin’ ny tanàna izay ao an-dohasaha ka hatrany Gileada, dia tsy nisy tanàna tsy afatsika; fa izy rehetra dia natolotr’ i Jehovah Andriamanitsika teo anoloantsika.
Joshua 13:16Ary ny fari-taniny dia hatrany Aroera, izay eo amoron’ ny lohasahan-driaka Arnona, ary ny tanàna izay eo afovoan’ ny lohasaha sy ny tany lemaka rehetra any Medeba,
Isaiah 5:17Ary ny zanak’ ondry hikania toy ny eny amin’ ny tany fiandrasana azy ihany; Ary ny tany foana izay nipetrahan’ ny matavy, dia mpirenireny no hiandry ondry ao.
Isaiah 7:23Ary amin’ Izany andro izany dia ho rakotry ny hery sy ny tsilo Ny tany rehetra izay nisy voaloboka arivo nahazo sekely arivo.
Jeremiah 48:19Ry mponina any Aroera, mijanòna eny an-dalambe, ka mitazàna, ary izay mandositra, na lehilahy na vehivavy, dia anontanio hoe: Nozoin’ inona ianareo?
Micah 4:4Fa samy hipetraka eny ambanin’ ny voalobony sy ny aviaviny izy, Ary tsy hisy hanaitaitra azy; Fa ny vavan’ i Jehovah, Tompon’ ny maro, no efa niteny.