Bokin'i Isaia 17:5
Ary ho tahaka ny fanangon’ ny olona ny vary an-tahony amin’ ny fararano izany, ka tangosan’ ny sandriny ny salohim-bary; Eny, ho tahaka ny fanangon’ ny olona salohim-bary eny amin’ ny lohosahan’ ny Refaïta;
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
4Ary amin’ izany andro izany dia hihena ny voninahitr’ i Jakoba, ary hihena ny hataviny.
Cross References
Joshua 18:16dia nidina hatramin’ ny faran’ ny tendrombohitra, izay tandrifin’ ny lohasahan’ ny taranak’ i Hinoma, eo amin’ ny Lohasahan’ ny Refaïta eo avaratra, ka nidina hatramin’ ny lohasahan’ i Hinoma, hatramin’ ny ilany atsimon’ ny Jebosita, ka nidina hatrany En-rogela,
2 Samuel 5:22Ary niakatra indray ny Filistina ka nihahakahaka teny amin’ ny Lohasahan’ ny Refaïta.
Jeremiah 9:22Izao no lazain’ i Jehovah: Aoka ny hendry tsy hirehareha amin’ ny fahendreny, ary aoka ny mahery tsy hirehareha amin’ ny heriny, ary aoka ny manan-karena tsy hirehareha amin’ ny hareny;
Hosea 6:11Ny aminao, ry Joda, dia voatendry koa ny andro hijinjana anao, rehefa ampodiko avy amin’ ny fahababoana ny oloko.
Matthew 13:30Aoka ihany hiara-maniry izy roroa ambara-pihavin’ ny fararano; ary amin’ ny fararano dia holazaiko amin’ ny mpijinja hoe: Angony aloha ny tsimparifary, ka ataovy amboarany mba hodorana; fa ny vary dia taomy ho any an-tsompitro.
Revelation 14:15Ary nisy anjely iray koa nivoaka avy tao amin’ ny tempoly, niantso tamin’ ny feo mahery ka nanao tamin’ ilay nipetraka teo ambonin’ ny rahona hoe: Arosoy ny fijinjanao, ka mijinjà, satria tonga ny andro fijinjana; fa masaka dia masaka ny vokatry ny tany.