Bokin'i Isaia 17:8
Fa tsy hanandrandra ny alitara, asan’ ny tànany, intsony izy. Ary ny nataon’ ny rantsan-tànany tsy hahoany, na ny Aseraha, na ny tsangankazo ho an’ ny masoandro.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Cross References
Exodus 34:13Fa ravao ny alitarany, ary torotoroy ny tsangam-baton-tsampiny, ary jinjao ny Aserahany.
2 Chronicles 31:1Ary nony vita izany rehetra izany, dia niainga nankany an-tanànan’ ny Joda ny Isiraely rehetra izay tao ka nanorotoro ny tsangam-baton-tsampy sy nikapa ny Aseraha ary nandrava ny fitoerana avo sy ny alitara eran’ i Joda sy Benjamina rehetra ary tany Efraima sy Manase koa ambara-paharavany azy rehetra. Dia samy nody ho any amin’ ny taniny sy ny tanànany avy ny Zanak’ isiraely rehetra.
2 Chronicles 34:6Ary tany amin’ ny tanànan’ ny Manase sy ny Efraima ary ny Simeona hatrany amin’ ny Naftaly, dia tao an-tanànany izay rava,
Isaiah 2:8Ny taniny dia feno andriamani-tsi-izy koa; Eo anatrehan’ ny asan’ ny tanany no iankohofany, Dia izay nataon’ ny rantsan-tanany;
Isaiah 27:9Ka izao no hamelana ny helok’ i Jakoba, Ary izao ihany no vokatry ny nanesorana ny fahotany, dia amin’ ny anaovany ny vato rehetra amin’ ny alitara ho tahaka ny vato sokay voatorotoro, ary ny Aseraha sy ny tsangan-kazo ho an’ ny masoandro dia tsy hitsangana intsony.
Isaiah 31:6Koa miverena ho amin’ izay efa niodinanareo fatratra, ry zanak’ Isiraely ô.